Poèmes

tsy very isika

Malagasy · 2026 · 1 min de lecture

L’espoir

miodikodina mijery izay any ambadika rehetra mikoropaka hiainga toa fotoana manam-petra sahiran-tsaina mieritreritra hoe inona ity ho avy misy tokoa ve ny maraina hijinjana ilay voa nafafy very hevitra indraindray manoloana ny onjam-piainana feno ny kapoaka anefa iza moa no itarainana tranga samihafa toa samy fambara ratsy any izay ireo miadana, ianao aty mangasihasy fa ny tena marina, isika no fanalahidy eo am-pelantanatsika ireo lova sarobidy fihavanana, firaisan-kina, izany no angady fototra hanjonoana ilay fiaraha-monina efa madiva ho difotra tsy very isika, tsy voahozona ho ambany fa ny toe-tsaina ihany no mamaritra izay hiafarany tsy very isika, raha samy maka minitra vitsy hiverenana any amin'ilay tena lala-mahitsy

D’autres poèmes

D’autres poèmes