Poèmes

tanora aho

Malagasy · 2026 · 1 min de lecture

Le soi

averimberina ao an-tsaina ilay fiteny hoe mbola kely tsy manan-jo haneho hevitra, tsy manan-jo hiteny ny enti-mody vitaina fa aza miseho manaka-davitra ny naoty tsara no enjeho fa aza manasaro-javatra kanefa na dia kely aza efa ao ny fahatsapan-tena fa manana andraikitra tokoa eo anivon'ny firenena tsy ny rendrarendran'ny sasany no anamaivanana mandray andraikitra ny tanora, mahay mifandray tanana sao ho diso lalana raha hanao tsinotsinona mihevitra ny zandriolona ho toy ny omby mahita vilona na dia tsy niaina talohan'ny taona roa arivo aza ny haren-tsaina no natao ho fototra, fa tsy ny dera sy ny laza tsy sanatria misalovana ny anjara-toeran'ny zoky tsy hoe mieboebo toy ny sambany nahavaky boky fa ny tanora no ho avy, ary ny ho avy ankehitriny tanora aho, tanora mijoro ho an'ny tany niaviany

D’autres poèmes

D’autres poèmes