Poèmes
tsiaro
manokatra ilay pejy tonta anatin'ny fahatsiarovana mandinika ireo resaka nifanaovana tamin'izany disadisa sy ady hevitra nandrava ilay fialofana ilay finamanana fahiny lasa rano raraka an-tany tsiaro sisa no mitoetra, mandalo miserana tsindraindray tsiaron'ireo tantara maro efa nivalona hatry ny ela indrisy resin'ny fiainana sy ny kapoky ny vy mamay ka samy nanohy ny lalany, ny fiarahana toa tavela ny fiekena fahadisoana no tsy nandalo tao an-tsaina eo ny ambom-po mafana mamikitra tsy hifanatona izao ilay natsangana toa rava, very maina lasa ilay sarobidy, tsy nahandry loha malemy hikatona miala tsiny, miala fondro, noho ny ratram-po tsy voatanisa ilay fihetsika tsy ampy heverana no nanapaka ilay tady rano raraka tsy azo raofina, ho atao anatra ho an'ny sisa aleo misoroka toy izay mitsabo, aleo mitia toy izay miady
D’autres poèmes
D’autres poèmes
←→ Utilisez les flèches pour parcourir