Poèmes

tao-trano tsy efan'irery

Malagasy · 2026 · 1 min de lecture

L’espoir

fahanginana tsy midika ho faharesena fiatoana tsy midika ho fahalemena tsy ny sandry no mandidy izay voahosotra izay tsy azo am-pahendrena mora votsitra fasika izy anio, rahampitso mety ho tonga vato ny kodiaran-tsarety miodina tsy an-kiato madinika ivelany fa ny ao anatiny mafonja sambo kely mahavita mamakivaky ny onja fiainan'olombelona tao-trano tsy efan'irery ny fireharehana mitondra any amin'ny very tsy aleo ve mankasitraka sy mihaino ny hafa ny vahaolana tsy azo raha tsy avy amin'ny tafatafa manetry tena tsara noho ny anaram-boninahitra na dia mafy tahaka ny inona tsy hahatakatra ny lanitra sao efa lasa lavitra vao ho tapi-dalan-kaleha ilay anjara biriky mifameno no rehareha.

D’autres poèmes

D’autres poèmes