Poèmes
rendrarendra
takariva anaty hatsiaka, volana jolay, niomana hamonjy ilay fotoana mahazatra ; be ny fahalavoana fa tsy mety ho fay, ny rendrarendra tsy voasakan’izay ratra. tanora fanahy ka mitady izay tsy am-pelatanana, mitsapa izay tena halalin’ny rano, soavaly tapa-kofehy, tsy hay hosakanana, anefa vato alatsaka tsy mahay milomano. ny ray aman-dreny efa lany voambolana, very hevitra, lany vola aman-karena, satria ny faniriany dia ianao mba ho olona vanona fa tsy ho vesatry ny firenena. ny fiainana tsy misy ora mila enjehana, fotoana fiovana tsy misy hoe tara, fa ny nenina no hanampy ny tehana raha any aoriana any vao hiova ho amin’ny tsara.
D’autres poèmes
D’autres poèmes
←→ Utilisez les flèches pour parcourir