Poèmes

manidina

Malagasy · 2026 · 1 min de lecture

L’amour

toy ny tanora vao erotrerony ilay fitia mahalasa eritreritra ilay hoe hiara-dia vao omaly no nahita izany hoe fiainana ka ny fiteny no lasa alohan'ny fisainana toy ireny tanora vao miala sakana lavitry ny mangetaheta ambony lakana izay rehetra tsapa mampidoboka ny fo variana any amin'izay mora tonga lo lalana andalovana tsy afaka ialana fiarahana mandalo fa tsy hoe hiafarana ny fahaizana mandray ny lesona fonosiny no entana mafonja hatao an-damosina ireo hafatra sy anatry ny ray aman-dreny tsy atao ankilabao, fa sarobidy ny teny ny eritreritra maniry mafy te hanakatra ny fahendrena dia ny mahafehy izay takatra

D’autres poèmes

D’autres poèmes