Poèmes
lova tsara indrindra
be ireo anatra nataon'ny ray aman-dreny mianara dieny mbola misy ny eo ampelatanana toa lasa tarigetra ilay fehezanteny mianara fa io no hany mba fananana niezaka mafy nanenjika ny fahombiazana niaritra ny hatsiaka sy ny torimaso nahay nankato ireo fanabeazana nampivelatra ny saina, nampisokatra ny maso ankehitriny tanteraka ny nofinofin'izy ireo tafita ity zanaka, nahavita fianarana hafaliana ny ao am-po, toa tsy hahaloa-peo aman-taonany maro vao mioty fahasambarana tsy ho hay adinoina, tsy ho hay havela irery ireo teny sarobidy izay nahatoy izao fianarana fiaretana, milofo izay vao mahery lova tsara indrindra, lova mitoetra ho anao
D’autres poèmes
D’autres poèmes
←→ Utilisez les flèches pour parcourir