Poèmes
fahafahana
tonga ity ilay andro, andro iray toa zato andro manan-danja satria anio vao mba miato miato amin'ny rotoroto toa lasa fahazarana fotoana natao andinihana, natao ialana an-daharana taona maro no nisesy, nanakarana ny tanjona nivezivezy tsy mba naka fotoana ho talanjona ankehitriny tojo amin'izay toerana niriana ka mahatsiaro fahafahana, lavitry ny fiafiana fahafahana fotoana fohy, mialohan'ny dia manaraka fahafahana ezahana hitohy, safidy tsy misy arakaraka inona no mba dian-tànana havela ho an'ny tantara inona no karazam-piainana hanorenana ny ao afara izay valin-teny anio, no hamaritra ny ampitso izay tiana anefa mahasoa no safidy tsy mampidi-kizo sarotra ny fandidiana, maro ny tranga mety hiseho aleo maka fotoana izao, mba hiadanana avy eo
D’autres poèmes
D’autres poèmes
←→ Utilisez les flèches pour parcourir