Poems

ny fitiavan-tanindrazana

Malagasy · 2026 · 1 min read

The world

somokotra ery ny tsirairay, milofo mba ho tafita manao izay tsy eran'ny aina, ahafahana miampita indrisy anefa fa ny maro, toa mora manadino manampi-maso tsotr'izao, milaza tena ho tsy mino fanomezam-pahasoavana ilay mampirehareha ary mbola fitahiana no tsy mahatapidalan-kaleha ka nahoana no mitady hanamaivana ny fototry ny aina mitsipaka ilay niavina, mihevi-tena ho maranin-tsaina tsy ifanomezan-tsiny, fa samy manana ny tanjona rehefa ny an'ny hafa tiana, fihetsika tena mahatalanjona asa inona ny ratsy vita, no dia nafoy ilay namelona fa maninona izy no heverina ho toy ny voa tsy hay atelina tsy ho an'iza fa ny ho avy, no antompisian'ity diam-penina mifanafatra dieny fotoana, fa sao efa tara vao hanenina andeha tsy hiraviravin-tanana manoloana ity tany lasa ngazana fa ny hitsarana ny fanahy dia ny fitiavan-tanindrazana

More poems

More poems