Poems
fararano
tsy mba toy ny isan-taona ny vokatry ny tany tany izay mijaly, miantso vonjy am-pahanginana fa ra-olombelona variana misesika izay lany tsy matahotra ny ho tapak'elatra am-panidinana mafy toy ny vato, mampiaiky ny angady izay ny takaitra vesaran'ilay mpamokatra fa ra-olombelona variana miantsy ady mihatsara velatsihy amin'ny teny sy ny soratra midradradra fa ny zanaka no harena miteraka mihoatran'izay eo am-pelatanana inona moa ny harena raha maty mosarena na ny tanimboly aza mananotanona fitsaharana ny teny no aloaka, natao mba isainana ny hafatra no miampita, mba tsy hidiran'angano tsy ny anio ihany no atao hoe fiainana sao ho lasa tsiaro sisa ilay atao hoe fararano
More poems
More poems
←→ Use the arrow keys to move through